Manaja ny tany tan-dalàna sy ny soatoavina demokratika ny antoko HVM, ary izany no niadiany nametra sy manisy arofenitra ary mangarahara ny vola ampiasaina amin’ny fampielezan-kevitra,
izay tsy tafita tany amin’ny faritra hafa ka anomezan’ny mpanara-maso tsiny antsika ankehitriny, hoy ny fanambaran’ny HVM tarihin’ny Sekretera Jeneraly nasionaly Mohamed Rachidy omaly. Masina sy sarobidy ny safidin’ny olom-pirenena tsirairay, kanefa hitam-poko hitam-pirenena fa feno hosoka sy feno halatra ny fanatanterahana ny fifidianana, hoy izy ireo. Olona maro no nahazo kara-pifidianana tsy navela nifidy, anarana maro loatra niverina in-droa (doublons), fitanana sy tsy fanomezana any amin’ny tompony ny kara-pifidianana, fampiasan’olon-kafa tambazam-bola izany kara-pifidianana tsy nalain’ny tompony izany, olona tsy ao anaty lisitra kanefa afaka nifidy, olona efa nodimandry kanefa tsy mbola ao anaty lisitra,… no anisan’ny ambaran’ny HVM fa lesoka. Biraom-pifidianana an’arivony no nisy fanodinkondinana safidim-bahoaka, izay midika ho famadihana ny fiandrianam-pirenena na “trahison du droit souverain”, hoy ny HVM, ary lasa fialokalofana sy fiarovan-tena ny fandrangarangana ny tsiambaratelon’ny latsa-bato na ny “secret de vote”. Ny olana lehibe hafa dia ny fampiasana volabe nentina namadihana ny safidin’ny olona, hoy ity antoko manohana ny kandida Hery Rajaonarimampianina ity. Vonona hanaiky ny valim-pifidianana avoakan'ny HCC ny HVM fa miantso kosa ny tompon'andraikitra handray fepetra manoloana ny hosoka sy lesoka izay ambaran’izy ireo fa ananany porofo. Tsy ekenay ny fomba mamoafady fampiasana vola mitobaka izay fantatra fa vola nofotsiana, ary maloto ihany koa ny nandrafetana ny valim-pifidianana satria maloto sy fotsiana ihany koa izany, hoy ity antoko ity.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.