Politique

Antoko HVM Mametraka ny rantsamangaikany any Tolagnaro


  • Talata 20 Janoary 2015

Kaominina 22 amin’ny 27 ao amin'ny distrikan'i Taolagnaro no efa misy ny fototry ny Hvm. Tao anatin'ny roa herinandro teo no nidinan'ireo delege tarihin'ny filohany Rtoa Anick Miza Voahirana.

Niara-nientana ny birao namita iraka ary nijery izay kandida ho ben'ny tanàna. Nohararaotin’ireo mpikambana ny niarahaba ny filoham-pirenena tamin’ny nahalaniany taorian'ny fifidianana. Tokana ny tanjona, hoy hatrany ireo mpikambana dia ny fifanomezan-tanana ho amin'ny fampandrosoana. Amin'ny ankapobeny, tratra ny tanjona na teo aza ny andro ratsy. Nohararaotin'ireo mpikambana ny nampita ny hafatra amin'ny filoha ho fifampiarahabana noho ny asaramanitra. Nifamotoana tao amin'ny Stadium Bazarikely Taolagnaro tao amin'ny le Resto le Tournesol Esokaka ireo mpikambana ao amin'ny antokon'ny fitondrana ity. Fiaraha-mikorana, sakafo iraisana mitam-pihavanana, fiaraha-miala hetaheta ary tsinjaka no natao izay nanasan-dry zareo ny hery velona misy any an-toerana toy ny Antoko Politika, ny mpikambana T.I.M. Tanjona ny fampiraisana sy ny fifankatiavan'ny samy Malagasy any an-drenivohitra Anosy, hoy Rtoa Anick Miza Voahirana.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT