Tsy mipetra-potsiny mihitsy ny mpikamba rehetra HVM ao Mahajanga mikasika ny fanalana ny filoha am-perinasa fa mitady vahaolana ny amin’ny hitazonana azy eo amin’ny toerany
. Raikitra indray ny fizarana vola amin’ireo mpikambana politika sasany misy ao an-toerana mba hanao fanambarana ny amin’ny tsy fanekena ny fanesorana ny lehiben’ny antoko HVM io. Manao tohivakana ny fanambarana mba hampihorohoro ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana mba tsy hamoaka didy ny amin’ny fampiatoana amin’ny asany ny filoha. Mitentina 5.000.000 ariary eo no vola azon’ireo fikambanana manao io fanambarana io ka zaraina isaky ny mpikambana, hoy ny loharanom-baovao izay voaray. Hatramin’ireo tompon’andraiki-panjakana mitantana andraikitra aza dia miditra ny amin’ny fiarovana ny toeran’ny filoha Hery. Ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana hatrany no tompon-teny farany mikasika ny fampiatoana ny filoha eo amin’ny asany.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.