Politique

Antoko HVM Hanaovana propagandy hatramin’ny kahie


  • Zoma 08 Mey 2015

Tamin’ny andron’ny repoblika demokratikan’i Madagasikara no tena nalaza ny kahie misy endrika propagandy ho an’ny mpitondra. Nivadika ho nisy sarina mpanakanto na mpanao fanatanjahantena malaza izany taty aoriana. Amin’izao fotoana dia misy karazana kahie ambara fa zaraim-potsiny indray ka mitondra ny

 

lokon’ny antoko eo amin’ny fitondrana (fotsy sy manga). Misy soratra mazava izy ity hoe : Hery vaovao ho an’ny ankizy malagasy. Mazava ny tiana hambara eto fa dia tohin’ilay hoe Hery Vaovao ho an’i Madagasikara, teny filamatry ny filoham-pirenena am-perinasa fony izy kandida. Asa noho ny tahotry ny tsy hahazo vato na efa tena fitiavan-tena sy fitiavam-pahefana diso tafahoatra fa hatrany anaty kahie ho an’ny mpianatra avokoa ve no hanaovana propagandy e ?


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT