Politique

Antoko HVM Efa andosiran`ny olony


  • Alatsinainy 07 Mey 2018

Mibaribary toy ny vay an-kandrina ny tsy fahombiazan`ny antoko politika HVM izay antokon`ny fitondrana. Manao izay ho afany hampatanja-tena ireo tanan-kavanan`ny filoham-pirenena saingy raha ny zava-misy aloha dia mitotongana hatrany ny fahitana azy.

 

 Mihena am-pitoerana toy ny fen`antitra ny isan`ny depioten`ny HVM izay natao indrindra hanohana izao fitondrana izao. Aiza avokoa ireo depiote miisa 79 nandany ireo lalàna fehizoro fotory ny olana ankehitriny ? Iaraha-mahita fa ninia tsy nijery ny tena zava-misy marina mikasika ny maro an`isa eo anivon`ny Antenimieram-pirenena izy ireo, hany ka tonga amin`izao toe-draharaha izao ny fiainam-pirenena. Zara fa mahatratra 40 ireo solombavambahoaka mivory eny Tsimbazaza amin`izao fivoriana ara-potoana izao ary ahiana hanapa-kevitra lalàna eo indray. Mahery vava mihitsy ireo olon`ny HVM ireo kanefa toa nivadika ny rasa ankehitriny satria tsy nifanaraka tamin’ny niheveran’ny HVM sy ny PMP azy ny fandehan’ny toe-draharaham-pirenena. Tsy nampoizin`izy ireo tokoa ny herin`ireo depiote TIM sy Mapar satria ny HVM no anisan’ny maro an’isa teo anivon’ny Antenimieram-pirenena hatramin`izay. Tsy mahagaga raha hisy ny fanatevenan-daharana ataon`izy ireo ato ho ato satria tsy marim-pototra ny fijoroan’ny antoko HVM hatramin`ny voalohany, tsy marim-pototra ihany koa ny fitsanganan`ny governemanta ankehitriny ary raha izao no mitohy dia tsy hanana ny ampahan’isa betsaka indrindra eo anivon’ny Antenimieram-pirenena ny PMP. Mihozongozona, araka izany, ny toeran’ny filoham-pirenena, ny praiminisitra sy ny governemanta ankehitriny. Nanao tsinontsinona manoloana ny fiainam-bahoaka sy ny fahasahiranam-bahoaka ka tonga amin`izao tsy fahafehezana sy tsy fisian’ny fandraisana andraikitry ny fiainam-pirenena izao. Mivory andro aman’alina ihany koa ireo olon`ny fitondrana HVM. Mampahery ny mpitondra HVM sisa no azo atao raha mbola miziriziry mitondra ny firenena satria efa miroso lalindalina kokoa ny hetsika ataon`ireo depiote ho an`ny fanovana

 
Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT