Politique

ANTOKO HVM AO MAHAJANGA Lasa biby fampitahorana ny olona ?


  • Alatsinainy 10 Novambra 2014

Taorian’ny fametrahana sy fampahafantarana ireo mpikambana mandrafitra ny antoko Hvm ao Mahajanga dia lasa ataon’ny sasany fitaovana entina mampatahotra ny sasany io antoko ny fitondrana ankehitriny io. Ireo mpandraharaha mpivarotra no tena matetika iharan’izany

. Raha ny zava-misy dia misy ny olona maka entana lafo vidy ka atao trosa izany. Tsy sahy mitaky anefa ireo mpandraharaha mpivvarotra avy eo  noho  ny tahotry ny fahefan’ireo olona sasany mpanao trosa. Milaza ny tsy matahotra fitsarana mihitsy mantsy izy ireo.Tsy sahy manao fihetsika hafa anefa ilay tompon’entana ka miandry izay sitrapon’ ity olona naka ny entana ity mandoa ny vola.  Lasa ataon’ny olona sasany biby fampitahorana sy hanambakana ny hafa arak’izany ity antoko politikan’ny filoha  Hery Rajaonarimampiana ity ao amin’ny renivohitra Boeny ao ka tokony hisy ihany ny fandraisana andraikitra ataon’ny mpitarika   ity satria dia toa efa zary lasa fomba fanaon’ireo mpikambana Hvm ao Mahajanga ity fihetsika ratsy ity. Maro ny mametra-panontaniana hoe tena izay marina ve ny fototra hijoroan’ny fikambanana Hvm eto Madagasikara ?

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT