Politique

Antoko GJMP Tsy nanaraka ny pitsopitsony ny natao teny Tsimbazaza


  • Alatsinainy 01 Jona 2015

Rehefa nanaraka ny fandehanan-draharaha teto amin’ny firenena izay Gjmp na Groupe des Jeunes Malagasy Patriotes tarihako, hoy ny depiote Randrianasolo Jean Nicolas avy any Betroka dia mahasahy manambara fa

 

  tsy nandeha ara-dalàna ny zavatra natao amin’ny Antenimieram-pirenena mikasika ny fangatahana « décheance » ho an’ny filoham-pirenena nataon’ireo ampahana solombavambahoaka. Raha ny tena izy manko, hoy ity solombavambahoaka ity,  dia tokony ho nalefa nandalo teny amin’ny birao maharitry ny Antenimiera izay fitoriana noeritreretina natao amin’Atoa filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina dia izy ireo no mandefa izany tany amin’ity farany mba nahazoany nanao fiarovan-tena. Tsy voaraka ny pitsopitsony amin’ny trangan-javatra tahaka iny niseho iny. Ireo Birao Maharitry ny Antenimiera natao hitsikitsika hivavahana indray no nipaoka ny zanaka akoho tamin’iny resaka iny. Tena nampiditra ny namany amin’ny kizo izy ireo raha ny marina. Izaho dia sahy milaza fa ny vahoaka any Betroka izay soloiko vava etoana dia tsy mankasitraka velively izao ataon’ny depiote sasantsasany izao. Tena very fanahy mbola velona ny vahoaka tsy mba nierana akory amin’ny fanapahan-kevitra sadasada tahaka iny nataon’ireo depiote mitady hanongam-panjakana iny.  

Ntsoavina Evariste

SARY : Ny filohan’ny GJMP

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT