“Antoko manana ny maha izy azy eto Madagasikara ny GAR (Gasikara Atsika Rehetra), saingy amin’ny maha antoko tanora azy dia tsy maintsy hiara-dia amin’ireo antoko sy fikambanana politika amin’ny fanolorana kandida ho ben’n
ny tanàna sy mpanolotsaina eto Toamasina renivohitra izahay…”Izay no anisan’ny nambaran’ny filohan’ny antoko Atoa Mahavimbina Alain, mikasika ny hirosoana amin’ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna amin’ity taona ity raha ho raikitra. Nomarihany hatrany anefa fa tsy maintsy misy ny fifampidinihana eo amin’ireo fikambanana na antoko politika hiara-dia aminy amin’ny fandrafetana ny lamina rehetra, na izy ireo no ho ben’ny Tanana na izy ireo no handrafitra ny mpanolotsaina. Na izany aza, hoy Atoa Mahavimbina Alain, dia tsy maintsy mandray anjara amin’ny raharaha fifidianana hitranga rehetra eto amin’ny firenena ny GAR, satria amin’ny kaominina sy distrika hafa dia mety handeha manokana ny antoko amin’ny fametrahana ny olony, izay mbola ho faritana, araka ny nambarany.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.