Mitohy ny asa sosialy enti-manasoa ny mpiara-belona tanterahin’ny antoko Fanorolahy, tarihin’ny filoha nasionaliny Randrianary José.
Na hisy na tsy hisy ny fifidianana, ho azy ireo dia laharam-pahamehana ny fikarakarana ireo tantsaha sy ny sahirana ara-pivelomana. Teny Ampanotaovana Ambohidratrimo izy ireo ny faran’ny herinandro teo nampisakafo tantsaha sy olona sahirana ara-pivelomana miisa 300. Ny antoko Fanorolahy Faritra Analamanga no nandray an-tanana ny fikarakarana ny sakafo sy ny vola lany tamin’izany, tarihin’Atoa Mandimby Andrimanetsiarivo. Tanjon’ny antoko ny hahafahana manatsara ny fari-piainan’ny tsirairay eny ifotony hahatanteraka ny teny filamatr’izy ireo manao hoe : rehefa ny tantsaha no manana ny ampy dia mandroso ho azy ny firenena. Tsy manana kandida tohanana ny antoko Fanorolahy amin’ny fifidianana filoham-pirenena. “Ny tantsaha no kandidanay”, hoy Randrianary José. Ho an’ny distrikan’Ambohidratrimo manokana, afaka roa volana no hiaka-bokatra ireo tantsaha mpamokatra eny an-toerana ka anisan’ireny ireo tena sahirana ara-pivelomana nangatahin’ny antoko tany tamin’ireo mpamboly efa za-draharaha izay notohanany masomboly sy zezika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.