Tontosa soa aman-tsara ny 7 novambra lasa teo ny fihodinana voalohany tamin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena notanterahina teto amintsika.
Efa nivoaka ihany koa vokatra avy amin’ny komity mahaleotena misahana ny fifidianana na dia mbola tsy ofisialy aza izany. Misaotra ny vahoaka Malagasy tamin’ny fahendrena nasehony ny filoha nasionalin’ny antoko Fanorolahy Randrianary José. Mankasitraka eram-po, eran-tsaina ny vovonan’ny Fanorolahy ahitana ny mpamboly, mpiompy, mpanjono ary ireo mpanarato manerana ny Nosy ihany koa ny tenany nahavita ny adidy amin’ny maha olom-pirenena azy ireo. Nosinganin’ity filoha nasionalin’ny antoko Fanorolahy ity ireo mpikambana ao amin’ny antoko nahavatra nitety sy nanentana ireo mpiray vina teny ifotony rehetra izay mbola maneho hatrany ny fahavononana hiatrika ny dingana manaraka araka ny fifanekena natao. Tsiahivina fa nanohana ary mbola hanohana tsy misy fepetra ny kandida Ravalomanana Marc tafakatra hiatrika ny fihodinana faharoa ny antoko Fanorolahy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.