Hanohana tsy misy fepetra ny Kandida Marc Ravalomanana, laharana faha-25 ny antoko Fanorolahy, tarihin’ny filoha nasionaliny Randrianary José amin’ny fifidianana izay ho filoham-pirenena hotanterahina ny 7 novambra ho avy izao.
Ny kandida Marc Ravalomanana mantsy, hoy ny mpitondra teniny Atoa Mino Julien no tena akaikin’ny tantsaha Malagasy no sady mitsinjo ireo vahoaka madinika any ambanivolo. Ny hamerenana ny tsara sy ny soa vitany tamin’izany fotoana no tena tanjon’ny antoko Fanorolahy hahafahana manohy izany. Anisan’ireny ny asa fanamboaran-dalana any ambanivohitra hahafahan’ny tantsaha mamoaka ny vokany sy mifanerasera amin’ireo namany hafa. Toraka izany koa ny lafiny fandriampahalemana izay mampitaraina fatratra ireo tantsaha mpamokatra ihany koa ankehitriny nefa tena nilamina sy voarindra tamin’ny andron’ny filoha Ravalomanana. Vonona ny hanentana ny vahoaka handrotsa-bato ho an’ny filoha Ravalomanana ny antoko Fanorolahy no sady hiantso ireo mbola variana hanamarina ny anarany anaty lisi-pifidianana ihany koa ka samy handray anjara amin’ny fifidianana ho avy izao. Nomarihin’ireo Fanorovavy ao anatin’ny fikambanana moa fa vonona ihany koa izy ireo hanentana ny vehivavy toa azy hifidy an-dRavalomanana mba hananan’ny isan-tokantrano fiainana milamina sy voarindra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.