Nanomboka androany tamin’ny 6 ora maraina ny fampielezan-kevitry ny fifidianana ho filoham-pirenena hotontosaina ny 7 novambra izao.
Nanatontosa fotoam-pivavahana tetsy amin’ny hotely La Rotonde Besarety ny avy eo anivon’ny antoko politika Fahazavan’i Madagasikara (FAIMA) hanomanana izany. Mila Raiamandreny mpitarika i Madagasikara, hamelom-panantenana azy, hampiray azy, hanentana azy, hanarina azy, hampandroso azy, hoy ny hafatra teny an-toerana. Olona matahotra an’Andriamanitra, mandala ny fahamarinana sy ny fifankatiavana ary manandratra avo ny hasin’ny firenena sy ny voninahitr’i Madagasikara no ilaintsika, hoy ny hafatra.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.