Amin’ny alatsinainy izao hanomboka amin’ny 6 ora maraina ny fampielezankevitry ny fifidianana ho filoham-pirenena hotontosaina ny 7 novambra izao.
Nanatontosa fotoam-pivavahana tetsy amin’ny hotely La Rotonde Besarety omaly ny avy eo anivon’ny antoko politika Fahazavan’I Madagasikara (FAIMA) hanomanana izany. Mila Raiamandreny mpitarika i Madagasikara, hamelom-panantenana azy, hampiray azy, hanentana azy, hanarina azy, hampandroso azy, hoy ny hafatra teny an-toerana omaly. Olona matahotra an’Andriamanitra, mandala ny fahamarinana sy ny fifankatiavana ary manandratra avo ny hasin’ny firenena sy ny voninahitr’i Madagasikara no ilaintsika.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.