Mankasitraka tanteraka ny fizotry ny fampihavanam-pirenena izay tanterahin’ny raiamandreny am-panahy FFKM amin’izao ny antoko AREMA
. Nambaran’ny sekretera nasionaliny Simon Pierre tamin’ny mpanao gazety omaly fa ho hitantsika tsy ho ela ny vokatr’izany na dia vao handeha any amin’ny faritra aza ny dinika. Na izany aza dia tokony hisy hatrany ny fifanomezan-tanana eo amin’ny mpiara-belona indrindra amin’ny voina tahaka izao. Tonga nanolotra vola, vary, menaka teny amin’ny BNGRC izy ireo omaly, ho fanampiana ireo traboina vokatry ny tondra-drano sy ireo kere any atsimo. Nanambara moa ity antoko ity fa efa vonona tanteraka amin’ny fifidianana ihany koa izy ireo manomboka amin’ny ben’ny tanàna ka hatramin’izay hisy eo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.