Manoloana ny vaovao tsy marina miely any anaty tambajotran-tserasera Facebook izay milaza fa manohana ny kandida laharana faha-13,
Andry Nirina Rajoelina ny antokom-bahoaka Malagasy tarihin’ny filohany Dany Rakotoson, dia nanamafy ity filoha ity fa tsy marina velively izany. Efa nanapa-kevitra ny antoko politika tarihiko fa tsy hanohana kandida intsony mandritra izao fihodinana faharoa izao. Raha hanao izany izahay dia naleonay tsy nanohana ny kandida Jean Ravelonarivo, tamin’ny fihodinana voalohany. Amin’ny maha olom-pirenena kosa anefa dia malalaka amin’ny vato tiany halatsaka ny mpikambana rehetra ato amin’ny antoko. Mampirisika ny olom-pirenena Malagasy rehetra hatrany ihany koa ho tonga hanefa ny adidiny ny 19 desambra izao moa ity filohana antoko ity ary nanamafy fa tsy misy vahaolana afa-tsy ny fifidianana hivoahana amin’izao olana mianjady amin’ny firenena izao.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.