Manoloana ny fikasana isan-karazany sy ny fametrahana fangatahana eny amin’ireo ambaratongam-pitsarana misy eto amintsika ikasana hanemorana ny fifidianana tsy ho amin’ny 7
novambra izao dia nanamafy ny heviny tamin’ny alalan’ny filoha nasionalin’izy ireo, Rakotoson Danni, ny antoko politika Antokom-BAhoaka (ABA). Tsy mbola miova fa manindraindra hatrany izahay hoe : “ataovy ny fifidianana, hoy izy. Io ihany no hahafahantsika manova toe-tsaina. Aminay, fanakorontanana ny fanemorana. Mahagaga fa milatsaka hofidiana ry zareo kanefa izany no takiany. Heverinay fa matoa nametraka dosie teny amin’ny HCC dia efa mahafantatra fa amin’ny 7 novambra no daty voatondro hanaovana fifidianana. Tsy zazakely isika ary fambolena tsy fandriampahalemana ny fanakorontanana saim-bahoaka. Aminay, mila mivoatra sy mandroso haingana isika fa efa mafy loatra amin’ny Malagasy izao fahantrana lalina mahazo azy izao ka aoka izy mba hisafidy malalaka izay olona heveriny hanala azy tao amin’izay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.