Notendren'i Rivo Rakotovao ho filohan'ny Antenimierandoholona hisolo toerana azy vonjimaika i Andriambololona Mananjara, loholona avy eto Analamanga ihany. Ny fanapahan-kevitra laharana faha-30-HCC / D3 amin'ny 7 septambra 2018 dia manendry ny filohan'ny Antenimierandoholona ho filoha mpisolo toerana hitantana ny firenena, araka ny andininy faha-2.
Ny lalàna mifehy ny fitsipika anatiny indray dia milaza fa tokony ho mpikambana ao amin'ny birao maharitra ny filoha lefitra, ka izay no nanendrena ity filoha lefitra ity ho filoha vonjimaika. Tao anatin'ny lahatenin`ny filoham-panjakana Rivo Rakotovao nandritra ny fivoriana tao amin'ny Antenimierandoholona, dia niantso ny fanajana ny lalàna sy ny demokrasia ary ny tombontsoan'ny firenena izy. Ny filoha vonjimaika kosa dia nilaza fa tany tan-dalàna i Madagasikara ary efa nasehon`ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina io izay nametra-pialana noho izy kandidà. Notsindriany fa tsy hisy zavatra hifanohitra amin`ny lalàna satria amin`ny maha fifidianana dia misy ireo mpikarakara ka mandray andraikitra ny Antenimierandoholona amin`ny maha andrim-panjakana azy. Ny fifidianana rahateo dia andraiikitry ny olom-pirenena rehetra. Raha ny fantatra, hisy famindram-pahefana hotanterahina eo amin`ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, sy ny filoham-panjakana, Rivo Rakotovao, anio eny amin`ny lapam-panjakana Iavoloha.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.