Politique

Antenimieram-pirenena Tsy mitovy ny hevitra mikasika ny « mémorandum »


  • Alakamisy 10 Septambra 2015

Raha nanaovana fanadihadiana tsotsotra teny amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena tamin’ny andron’ny omaly talata 9 septambra dia tsapa fa tena tsy mitovy velively ny hevitr’ireo

 

solombavambahoaka isan’isany mikasika ilay « mémorandum » mampisy resaka be eny an-toerana ankehitriny. Mazava aloha ny fanamafisan’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena fa mbola tsy nahita izany « mémorandum » izany ny tenany fa ny fifanarahana hisian’ny fitoniana kosa dia tena voizina tanteraka ary efa nisy moa ny fifampiresahana tamin’ireo solombavambahoaka sy ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Nilaza ny hihaona amin’ity filoham-pirenena ity ny tenany tamin’ny andron’ny omaly talata io na amin’ity andron’ny alarobia 10 septambra ity. Heno kosa tamin’ny firesadresahana tamina andiana depiote samihafa teny Tsimbazaza teny omaly, fa resaka tiana ho voizina mafy io hoe fanaovan-tsonia ataon’ny solombavambahoaka 91 io. Ny namanay farany, hoy izy ireo, izay nilaza ho nanao sonia an’io « mémorandum » io dia nilaza fa faha-46 izy amin’ireo efa nanao sonia ny andron’ny talata 8 septambra. Izahay aloha, hoy ireto andiana solombavambahoaka ireto, dia mbola tsy nahita maso an’izany « mémorandum » voalaza izany. Ny ety Tsimbazaza rahateo mbola mangina be mihitsy fa maro ireo depiote mbola any amin’ny faritra misy azy any daholo ankehitriny ka hahatratra marina ny isa voalaza ve ireo nanao sonia ?

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT