Tsy misy varany indray ny fotoam-pivorian’ireo solombavambahoaka fa dia rava maina omaly alakamisy 11 jona 2015 rehefa nifandresy lahatra fotoana fohy ny amin’ny tokony handefasana mivantana na tsia ny
fihaonana amin’ireo minisitra nampanantsoina ny maraina ireo solombavambahoaka mba ho henon’ny vahoaka nifidy azy. Tonga tokoa araka ny fotoana nifanomezana ireo minisitra 3 andiany voalohany ny maraina tamin’ny 10 ora nahitana ny minisitry ny indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina, ny minisitry ny vola sy tetibola ary ny minisitry ny angovo sy ny solika saingy notakian’ireo depiote maro an’isa tamin’ny fanaovana tsangan-tanana mahazatra ny handefasana ny dinidinika tokony hifanaovana amin’izy ireo mivantana amin’ny TVM. Nirava maina ny fivoriana satria nandresy ny maro an’isa na dia nisy dia nisy aza fa ankavitsiana ireo nanangan-tanana naneho hevitra fa tsy tokony halefa mivantana ny dinika.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.