Politique

Antenimieram-pirenena Tsy mazava ny fitantanam-bola !


  • Alakamisy 02 Jolay 2015

Nitaky ny fampiharana ny fitantanana mangarahara eny anivon’ny Antenimieram-pirenena ankehitriny ny andiana depiote niisa 21 mpomba ny fitondrana ka namory mpanao gazety teny an-toerana omaly.

 

 Tokony hampiharina eto amin’ity lapa ity mihitsy ny mangarahara, hoy ny depiote Jaona Elite, indrindra ny fitantanana ara-bola. Izahay etsy Atsimondrano no mipetraka nefa nahazo hafatra an-telefaonina hipetraka eny amin’ny Relais de la haute ville izay tsy zonay akory ka manahy ny amin’ny fanjavonan’ny vola amin’izany izahay. 100.000 Ar isan’andro anefa no saram-pivahiniana amin’izany. Nanamafy ny fisian’io toe-javatra io koa ny depiote Kathy avy any Mananjary fa anisan’ireo depiote nahazo fampilazana ny hipetrahany any amin’ny hotely raitra izy nefa tsy mankany akory ka nampanakoako ny feony mitaky ny mangarahara. Mahagaga, hoy ireto solombavambahoaka ireto, fa antsasaka “chèques carburant” fotsiny no noraisin’izy ireo tamin’ity volana jona ity nefa ny 85 %-n’ny tetibola hampiasaina ety amin’ny Antenimiera dia efa voaray ety avokoa. Nasian-dry zareo resaka koa ny tsy fahazavan’ny “Passation de marché” amin’ny asa fanavaozana sy fanatsarana ny Lapan’i Tsimbazaza. Mila fanazavana koa ny amin’ny vola 12 miliara Ar nivoaka teny amin’ny fitantanam-bolam-panjakana. Nambaran’ireto depiote ireto moa fa tena misy fanodinkodinam-bola eo anivon’ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena ankehitriny ary asan’ny kestora faha-3 ety aminay, ny depiote Guy Rivo Andrianarisoa, ny manao tatitra nefa tsy mbola nanao izany mihitsy ny tenany hatramin’izay nipetrahany teo izay.

Namaly bontana avy hatrany tamin’ny haino aman-jery moa ny kestora 1 eny amin’ny Antenimiera ary nilaza fa mila mianatra aloha ry zareo nanao fanambarana ireo fa tsy hainy akory ny mamaky ny taratasy zaraina aminy.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT