Tsy tahaka ny mahazatra ny zava nitranga teny Tsimbazaza omaly nandritra ny fihaonan’ireo solombavambahoaka tamin’ny mpikambana ao amin’ny governemanta. Raha ny fahita mantsy hatramin’izay dia masiaka ary tsy mitsitsy fitenenana mihitsy ireo olom-boafidy ireo rehefa mihaona amin’ireto fahefana mpanatanteraka ireto
Tsikaritra omaly io fa dia malefadefaka sy mampiasa teny ara-diplaomatika avokoa ireo depiote sasany teny an-toerana. Lasa fisaorana sy fankasitrahana ny governemanta no betsaka ary misy mihitsy ireo solombavambahoaka sasany nitoraka voninkazo ny praiminisitra fa hoe tena miasa ny tenany sy ireo minisitra izay notarihiny. Tsy sanatria mamoha fotamandry fa dia adino tanteraka ilay resaka fitsipaham-pitokisana ary tahaka ny tsy nisy iny resaka iny akory aza teny Tsimbazaza, kanefa roa volana lasa izay dia iny no nibahan-toerana teny amin’iny toerana iny. Tsy hita teny an-toerana intsony ny maha kianja ny demokrasia ny eny Tsimbazaza fa mitovy fijery avokoa ny rehetra. Na izany aza anefa dia misy tokoa ireo minisitra manao izay azony atao saingy raha tsy tratry ny tsindry angamba tsy nihetsika. Mbola betsaka ihany koa anefa ireo nitondran’ny depiote sasantsasany fanamarihana anisan’izany ny mahakasika ny tsy fandriampahalemana, eo ihany koa ny lalana isaky ny faritra ary farany ny resaka delestazy izay nanakianan’ireo depiote ny minisitra tompon’andraikitra. Somary nahagaga ihany koa anefa fa mbola misimisy ihany ireo depiote tsy tonga nanatrika ny fivoriana, kanefa tena zava-dehibe loatra ho an’ny fiainam-pirenena izany fifanatrehan’ny governemanta sy ny parlemanta izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.