Politique

Antenimieram-pirenena Tonga tampoka i Marc Ravalomanana


  • Alakamisy 01 Oktobra 2015

Vahiny tsy nampoizina teny Tsimbazaza ny filoha teo aloha sady filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madasikara, Marc Ravalomanana. Omaly tamin’ny fiafaran’ny tolakandro izy no tonga.

Fitoniana

Tampoka tamin’ny teny an-toerana ny fiaviany. Na ireo solombavambahoaka nijanona faramparamparany teny aza tsy nino raha nilazan’ny namany fa tonga ao i Marc Ravalomanana. Nisy ny fihaonany tamin’ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena, tarihin’ny filohany Rakotomamonjy Jean Max. Naharitra adim-pamantaranandro iray teo izany. Tsy nanao fampitam-baovao mikasika ny votoatin’io fihaonana io ny Birao maharitra, saingy raha zohina amin’ireo fanehoan-kevitr’i Marc Ravalomanana tato ho ato dia hisian’ny fitoniana eto amin’ny firenena no antony. Ambentin-teniny ny hoe : mijaly fadiranovana loatra ny Vahoaka Malagasy ka zava-dehibe ny hisian’ny fitoniana hahafahana mijery ny fampandrosoana amin’izay. Tao anatin’ny fotoana nifanenjanan’ireo depiote sy ny filohan’ny Repoblika, izay efa tonga tany amin’ny fifanonganana ka nisian’ny “motion de déchéance” narahin’ny “motion de censure” dia nandroso ny tokony hanaovan’ny an-daniny sy ny an-kilany “Pacte de stabilité” i Marc Ravalomanana. Nivoatra moa ny raharaha ka “Pacte de responsabilité” indray no notondroin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana fa tokony hifanaovan’ny Parlemanta sy ny filohan’ny Repoblika, dia io niofo ho “Mémorandum” io indray nony taty afara. Ny fiantso azy no miova fa mihodinkodina eo amin’ny hisian’ny fitoniana ny votoatiny.

Raiamandreny

Lojika amin’ny teniny sy ny heviny i Marc Ravalomanana raha tonga teny Tsimbazaza, ary mijoro amin’ny maha Raiamandreny azy eto amin’ny firenena, mikatsaka mandrakariva an’izay hahasoa ny Malagasy. Efa nilaza ny tsy mametraka olana amin’ny hanasoniavana ny “Mémorandum” koa ny Tiako i Madagasikara, izay izy no filoha nasionaliny ary manana solombavambahoaka miisa 21 ao Tsimbazaza, ary ankehitriny manana Ben’ny tanàna 210 mahery manerana ny Nosy. Famerimberin’i Marc Ravalomanana fony izy mbola tany an-tsesitany tany Afrika Atsimo, moa ny hanokana ny andro sisa ahavelomany hampandrosoana an’i Madagasikara, sy hanatsarana ny fiainan’ny Malagasy. Farany teo dia mbola nanambara ho rentany, rendanitra ihany koa izy fa fandraisany anjara amin’ny politika nasionalin’ny fampandrosoana (PND) ny fanokafana ny orinasa TIKO ary tsy izy velively no andeha hanongana ny filoha am-perinasa Hery Rajaonarimampianina.


Ra-Bri

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT