Mbola nisy zavatra tsy mbola voaefan’ny mpanatanteraka tamin’ny fiantsoana anay solombavambahoaka tamin’ny fivoriana tsy ara-potoana teo aloha kanefa araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana dia tsy maintsy atao ny fiantsoana fivoriana tahaka itony fa tsy miankina amin’ny zavatra teo aloha, hoy ny depiote TIM Rajaonson Lantoarijaona Maminiriana voafidy tao Antananarivo III.
Misy izay tsy fahatomombanana izay mety hampandringa kely ny fifandraisana amin’ireo mpanatanteraka, hoy izy, nefa raha hain-dry zareo tsara ny manazava tsara ny antony liana azy dia toy ny rehetra miresaka ihany izany ka azo atao tsara ny miroso. Amiko raha ny tena marina tsy tokony ho laharam-pahamehana be ny fandinihana ity resaka CENI ity satria raha neritreretina fa tena ratsy ny CENIT teo aloha nanao ny fifidianana solombavambahoaka sy filoham-pirenena dia tsy maintsy niezakezahana haingana ve izany ka manjary tsy hahamarin-toerana anay depiote sy ny filoham-pirenena lany tamin’izany koa aza. Ny LFR (volavolan-dalàna fanitsiana ny tetibolam-panjakana) amiko no azo eritreretina ho laharam-pahamehana fa efa tsy misy intsony ny vola hoentin’ny rehetra nefa neritreretin’ny mpanatanteraka fa azo dinihana amin’ny fivoriana ara-potoana hanomboka amin’ny talata fahatelo amin’ity volana ity.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.