Politique

Antenimieram-pirenena Rava maina indray ny fivoriana


  • Zoma 05 Jona 2015

Rava maina omaly ny fivoriana nitambarambe azon’ny besinimaro natrehana teny amin’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza ka nampanantsoin-dry zareo an’ireo minisitra ao amin’ny governemanta voalaza fa angataham-panazavana amin’ny

 

fanevatevana ireo solombavambahoaka nataon’izy ireo. Efa nivonombonona ny tsy  hitsitsy sy hamatratra amin’ireo minisitra namaly ny antso ka tonga teny an-toerana ireo solombavambahoaka na dia tsy tonga aza ny minisitry ny fiompiana voasoratry ny fandaharam-potoana teny amin’ny tabilao fa anisan’ireo nantsoina. Tazana teny an-toerana fa namaly ny antso kosa ny minisitry ny fampahalalam-baovao sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana, ny ministry ny fiarovam-pirenena sy ny sekreteram-panjakana misahana ny zandarimaria, ny minisitry ny fanabeazam-pirenena ary ny minisitry ny indostria. Nangatahan’ireo depiote ny handefasana mivantana ny adihevitra tamin’ny fahitalavi-pirenena TVM saingy na dia naka sary aza ireo mpiasa tonga teny Tsimbazaza dia nanambara fa misy tsy fahatomombanana ny fitaovana nentin’izy ireo. Rehefa naka ny hevitry ny minisitra tompon’andraikitra kosa ireo solombavambahoaka dia nanambara ity farany fa hisintaka kely any alatrano sy hidinika hiaraka amin’ireo namany minisitra hafa. Rehefa tonga ny tolakandro nifamotoana indray dia tsy raikitra ny fampitana mivantana nangatahana ka rava maina ny dinika saika hatao ka hahemotra anio maraina amin’ny 10 ora.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT