Nambaran’ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Rakotomamonjy Jean Max omaly, tao anatin’ny fivoriana nitambarambe nandaniana ny volavolam-pandaharam-potoana manaraka ny fivoriana ara-potoana atrehan’ireo depiote ankehitriny fa misy ny vondrona parlemantera 3 vaovao niforona ka mahafeno ho 11 ny vondrona parlemantera misy eny Tsimbazaza
ankehitriny dia ny Vpm-Mmm ahitana depiote mpikambana (15), Vert (5), Leader Fanilo (5), Mapar I (25), Mapar II (10), Mapar III (13), Ard (5), Hiaraka Isika (5), Hvm (27), Pour Union (7), Tiako i Madagasikara (21). Marihina fa lany tsy nisy nitsipaka tamin’ny fananganan-tanana ny volavolam-pandaharam-potoanan’ireo solombavambahoaka nanomboka tamin’ny zoma 25 oktobra ka hatramin’ny talata 11 novambra 2014 rehefa nafindra toerana ny fivoriana tokony ho natao ny zoma 31 oktobra 2014. Nanodidina ny 50 mahery teo ireo depiote tonga namonjy an’ity fivoriana omaly ity fa misy ampahany manaraka fiofanana eny Antaninarenina. Efa zary lasa fahazaran’ity rafitra ity moa izao ny manao fivoriana kely mihiboka “à huis clos” rehefa mifarana ny fivoriana hitambarambe ka nisy izany indray omaly talata maraina na dia tsy lava loatra aza. Mbola ilay resaka fitsipaham-pitokisana sy tombontsoa hafa no voaresaka tao, araka ny siosion-dresaka heno tety ivelany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.