Politique

Antenimieram-pirenena Nantsoina hivory amin’ny Talata


  • Alakamisy 24 Septambra 2015

Hivory tsy ara-potoana ny Parlemanta. Hanomboka amin’ny talata 29 septambra izany araka ny tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha omaly, ka nanaikana ireo depiote hivory.

 

 Efa nilaza ny praiminisitra Jean Ravelonarivo fa tsy maintsy ho avy eny Tsimbazaza mialoha ny fisokafan’ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimieram-pirenena ny lalàna fanitsiana ny tetibola. Azo antoka fa ho tafiditra anatin’ny lahadinika ny amin’io. Fivoriana tsy ara-potoana no hatao. Raha ny lalàna dia tsy mihoatra ny 12 andro izany raha ela indrindra, miankina amin’izay karazana volavolan-dalàna tonga eny Tsimbazaza ihany anefa no hamaritra ny faharetany, izay raha izao fisehony izao dia hitohy avy hatrany amin’ny fivoriana ara-potoana faharoa. Hanararaotra io fihaonana io hiresahana ny “Opération fahalemana” izay mahabe resaka ihany koa ireo solombavam-bahoaka, raha tsy hiresaka afa-tsy ny miseho any Ankazoabo Atsimo sy Betroka. Eo koa ny amin’ilay “Pacte de responsabilité” sy “Mémorandum”. Raha bangoina dia hafanafana indray eny Tsimbazaza amin’ny herinandro ho avy io.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT