Hanome endrika vaovao sahaza ny maha Antenimieram-pirenena azy. Io no fanamby napetrak’Atoa Befourouack William, sekretera jeneraly vaovaon’ity andrim-panjakana ity
. Omaly no vita ny fifamindram-pahefana teo aminy sy ny sekretera jeneraly teo aloha. Mandeha ny asa rehefa voahaja tsara ny zon’ny mpiasa tsirairay, hoy ity tompon’andraikitra ambonin’ny Antenimieram-pirenena ity. Nambarany fa efa nihaona tamin’ireo mpitarika sendika rehetra eo anivon’ny Antenimieram-pirenena ny tenany ka hojerena izay rehetra azo atao hamaliana ny fitakian’ny mpiasan’ny Antenimieram-pirenena. Ny zoma lasa teo mantsy dia saika efa nitokona ireo mpiasa fa nampanantena kosa ny mpitantana ity andrim-panjakana ity fa hisy ny fifampidinihana miaraka amin’ny birao maharitra hijerena ny zon’izy ireo. Ho sandan’izay kosa dia nanambara atoa Befourouack William fa ny asa no tokony hametra ny oran’ny mpiasa fa tsy ny ora no hametra ny asa. Izany rehetra izany dia ezaka tokony hatao mba ho fanatsarana ny asan’ny Antenimieram-pirenena. Rehefa vita ny famindram-pahefana teo aminy sy ny olona nodimbiasany dia avy hatrany dia nandray ny asany ity SG vaovao ity.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.