Mangataka ny handravana ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena ireo solombavambahoaka manohana ny fitondrana mijoro amin’izao.
Antony, araka ny fanazavan’ny solombavambahoaka Nicolas Randrianasolo voafidy tany Betroka dia «mikononkonona fanonganam-panjakana ny 80%-n’ny Birao maharitra izay efa miketrika fanangonan-tsonia amin’izao fotoana izao». Ny tombontsoam-bahoaka no tokony hojerena, hoy izy ireo fa tsy ny tombontsoan’olom-bitsy noho izany rariny sy hitsiny raha ravana ny Birao maharitra. Ankoatra izay dia notsindrian’ny solombavambahoaka Randrianasolo Nicolas fa diso mifampihatsaravelatsihy loatra ireo solombavambahoaka ao amin’ny Antenimieram-pirenena ka rariny raha hirosoana izany. Mikasika ny fanonganana ny filoham-pirenena manokana dia notsindrian’izy ireo fa ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana no tompon’ny teny farany amin’izany izay misy porofo mazava ihany koa fa tsy tenitenenina fotsiny.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.