Raha nanatitra lisitra teny Ambohitsorohitra ny talata teo ireo andiana depiote avy amin’ny antoko politika samihafa avy eny Tsimbazaza dia nanambara ny mpitondratenin’izy ireo fa nahatratra 118 isa izy ireo no tafaraka tamin’izany
. Omaly alarobia indray anefa teny amin’ny hotely Carlton Anosy dia nanambara ny iray tamin’ireo mpitarika ny « Collectif d’Ambodivona » itambaran’antoko politika 5 samihafa, ny Miaraka Isika, ny Avana-Ard, ny antoko Maitso, ny Vpm-Mmm ary ny Mapar fa mahatratra 80 ireo solombavambahoaka ao amin-dry zareo ary nanao sonia ny fifanarahana fa hanolotra praiminisitra iombonana hotendren’ny filoham-pirenena satria izy ireo izany no maro an’isa eny amin’ny Antenimieram-pirenena ka voalazan’ny lalàna ao amin’ny andininy faha-54 ao amin’ny lalàm-panorenana fa hany afaka manolotra izany praiminisitra izany. Rehefa natambatra ireo isa ireo dia mahatratra 198 ireo depiote nanao sonia ny lisitra kandidà roa samy hafa, 151 anefa no tena isan’ireo depiote am-perinasa eto amintsika ankehitriny. Mazava loatra fa misy depiote 47 izany mihoatra ka tsy fantatra na avy aiza ireo na avy aiza, sa depiote matoatoa kosa e ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.