Politique

Antenimieram-pirenena Mbola banga ny toeran’ny mpanohitra


  • Alakamisy 18 Desambra 2014

Hifarana rahampitso zoma 19 desambra ny fotoam-pivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimieram-pirenena, rehefa naharitra 60 andro araka ny voatondron’ny lalŕmpanorenana.

Ity no heverina fa hamarana ny fotoam-pivoriana amin’ity taona 2014 ity. Banga hatramin’izao anefa ny toeran’ny mpanohitra eo anivon’ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena, izay toerana mitovy laharana amin’ny filoha lefitra sy ny eo anivon’ny vaomiera. Niaina tsy nisy mpanohitra ny Parlemanta. Tsy misy fiantraikany tamin’ny fandaniana ireo volavolan-dalàna natolotry ny governemanta anefa ny tsy fisian’ny mpanohitra. Izay lany teny Tsimbazaza rahateo, efa nankatoavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana fa mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana. Izay angamba no tsy maharototra ny mpanao politika hifanaraka momba an’io, izay raha ny lojika dia kandida mpifaninana tsy lany tamin’ny fihodinana faharoa no mitarika azy. Ifandroritana anefa io fitarihana ny fanoherana eto Madagasikara io amin’izao, ka na ireo antoko politika na vondron’antokoa na vovonana politika tsy nandrotsaka kandida tamin’ny fifidianana solombavambahoaka tamin’ny 20 desambra 2013 aza milaza mpanohitra ny fitondrana. Ny lalàna momba ny fanoherana rahateo tsy tsara fototra dia io banga hatramin’izao io ny toeran’ny mpanohitra eo anivon’ny Antenimieram-pirenena.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT