Asa na izany no tena fitiavan-tanindrazana na hafanam-po diso toerana fa dia niainga ny sandry teny amin’ny Antenimieram-pirenena halina. Niandahy niambavy mihitsy ny raharaha.
Ny fahazoan’ny Solombavambahoaka Siteny Randrianasoloniaiko, Solombavambahoaka voafidy tany Toliara, handatsa-bato no nahatonga ny disadisa satria mbola an-dalana ho any Tsimbazaza hamonjy ny fifidianana ny tenany no tsy neken’ny Solombavambahoaka manohana ny fitondrana ka nahatonga fifanandrinana teo amin’ireo Solombavambahoaka vavy tsy nahatsindry fo. Fihetsika mahamenatra izay tsy mendrika ny maha olom-boafidy mihitsy. Teo amin’ireo Solombavambahoaka lehilahy indray dia ny fifampitsarana amin’ny hoe ity mamo iry misotro toaka vao miditra ato an-dapa no nahatonga ny sandry niakatra. Nitabataba tamin’ny fanamafisam-peo Atoa Jean Max Rakotomamonjy filohan’ity andrim-panjakana ity fa tsy nisy nihaino intsony hany hery dia nampidirina an-tsehatra ireo mpitandro filaminana nampipetraka ireo nisandaotra.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.