Toy ny mahazatra dia lany tsy nisy nitsipaka fa nisy 1 tsy nilaza ny heviny kosa teo amin’ny tsangan-tananan’ireo depiote nahatratra teo amin’ny 93 namonjy ny fivoriana nitambaram-be teny amin’ny lapan’ny Antenimieram-pirenena teny Tsimbazaza ny « ordre du jour » fiatrehana ny fivoriana tsy ara-potoana faha-4 hatrehan’izy ireo
. Nanomboka ny talata teo izy io ary hofaranana amin’ny fomba ofisialy amin’ny zoma faha faha 9 oktobra izao. Asam-baomiera no hatrehan’ireo solombavambahoaka voakasika manomboka anio zoma 2 oktobra ka hatramin’ny Alarobia 7 oktobra 2015 ka handinihana ilay volavolan-dalàna lah. 034/2015 tamin’ny 23 septambra 2015 mikasika ny firafitry ny CENI. Voalaza koa anefa fa azo ampiasaina mandritra ny fotoam-baomiera sy amin’ny fotoam-panapahan-kevitra ireo antontan-taratasy rehetra mikasika ny tolo-dalàna lah. Faha-13-2014/PL tamin’ny 18/12/2014 izay natolotr’ireo Vondrona Parlemantera VPM Malagasy Miara-Miainga, Hiaraka Isika, Mapar, ARD Avana ary Hasin’I Madagasikara izay toa nampisinda ny ahiahy ny besinimaro hatrany am-boalohany ihany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.