Politique

Antenimieram-pirenena Hivory indray manomboka rahampitso


  • Alatsinainy 04 Mey 2015

Hiatrika ny fivoriana ara-potoana voalohany amin’ity taona ity manomboka rahampitso talata ireo solombavambahoakan’i Madagasikara, araka ny antso maika nataon’ny filohan’ny antenimieram-pirenena omaly alahady.

 


 Nantsoina mba hanamora ny fahatongavan’ireo olom-boafidy eto an-drenivohitra ny zotram-pitaterana an-tanety sy ana habakabaka. Rahampitso talata 5 mey  amin’ny 10 ora maraina moa no voatondro fa hanomboka amin’ny fomba ofisialy ity fotoam-pivoriana voalohan’ny parlemanta eny Tsimbazaza ity. Andrasana handalo eny ny politika ankapoben’ny fanjakana, ilay PND na politikam-pirenena ho amin’ny fampandrosoana izay fandaharanasan’izao fitondram-panjakana izao. Andrasan’ny maro koa anefa ny mety ho hevitr’ireo depiote taorian’ny fahavitan’ny dinika ho amin’ny fampihavanam-pirenena teny Ivato izay namoaka fehin-kevitra ny amin’ny tokony hanafoanana ny antenimieram-pirenena amin’izao fotoana ka hananganana ilay antenimieram-panorenana na « assemblée constituante ».Ny sabotsy hariva lasa teo ihany moa dia efa nilaza ny tsy fankasitrahany io mety ho fandravana ny antenimieram-pirenena io ny birao maharitra tarihan’ny filohany Jean Max Rakotomamonjy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT