Anio alakamisy maraina 1 oktobra 2015 vao raikitra ny “conférence des présidents” eny amin’ny Antenimieram-pirenena hotarihan’ny filohany Rakotomamonjy Jean Max miaraka amin’ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitr’ity rafitra ity sy ireo filohana kaomisiona
samihafa ary koa ny filohan’ireo vondrona parlemantera isan-tsojakiny misy eny amin’ny Antenimieram-pirenena ankehitriny amin’ny fandrafetana ny « ordre du jour » harahina amin’izao fivoriana tsy ara-potoana faha-4 tanterahina eny Tsimbazaza izao, fa ny omaly alarobia 30 septambra 2015 dia fantatra fa tsy dia nisy loatra ny zava-tapaka nandritra ny fivorian’ireo ao amin’ny birao maharitra in-droa miantoana ary somary lavalava ihany fa teo amin’ny ora 3 teo ny faharetan’ny adihevitra teo amin’ireo birao maharitra isanisany. Heno teny an-toerana fa ny mikasika ny fisiana lahadinika anankiray hafa izay efa natolotry ny vondrona parlemantera VPM MMM mifanindran-dalana amin’ny lahadinika natolotry ny governemanta Ravelonarivo Jean no nitoeran’ny olana tamin’izany. Omaly takariva moa vao nigadona teny Tsimbazaza ny filohan’ny vondrona parlemantera VPM MMM, ny depiote Milavonjy Andriasy Philobert ka inoana fa hafanafana indray ny adihevitra anio alakamisy maraina. Anio hariva, araka ny fandaharam-potoan’ny fivoriana voasoratra ao amin’ny tabilao eny Tsimbazaza no handanian’ireo depiote ao anatin’ny fivoriana hitambarambe an’izany « ordre du jour » izany raha ho tanteraka hatramin’ny farany. Mandeha mantsy ny feo teny an-toerana fa raha tsy misy valiny ny mikasika ny raharaha depioten’Ankazoabo Atsimo dia tsy hiraika firy amin’izay fandaharam-potoana izay ireo depiote maromaro.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.