Azo antoka ankehitriny fa hiatrika fivoriana tsy ara-potoana indray ireo solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy farany teo noho ny fiantsoana natao no azy ireo avy amin’ny fanapahan-kevitry ny filankevitry ny minisitra tamin’ny zoma hariva, satria dia efa mivandravandra eo amin’ny tabilao filazan-draharahan’ireo depiote etsy amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny hisokafan’izany ofisialy anio tolakandro amin’ny 3 ora.
Nomarihan’ny depiote Mahazoasy Freddie Richard, filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena Faritanin’Antsiranana omaly, fa “Ordre du jour” tokana ihany aloha hatreto no tafiditra ao anatin’io fiantsoana an-dry zareo depiote io dia ny fandinihana sy fandaniana ny lalàna mikasika ny fananganana ny Ceni na Komity nasionaly mahaleotena misahana fifidianana. Mandritra ny 12 andro raha ela indrindra no haharetan’ity fivoriana tsy ara-potoana ity. Io ihany no tafiditra ato amin’ity fiantsoana ity izao, hoy ity depiote ity, fa ho hita eo ihany ny mety hisian’ny fivoriana tsy ara-potoana manaraka raha mbola misy zavatra maika tsy mainty hodinihana sy handraisana fanapahan-kevitra. Marihana, hoy ny depiote Mahazoasy Freddie, fa misy fizarana roa ao anatin’ity Ceni ity dia misy ny “Formation non permante” izay ahafahany ny ankolafin-kery rehetra toy ny kandidà … mametraka solontena raha toa ka misy fifidianana hatrehana tahaka ny “referendum” ohatra hilana hatao haingana eto amintsika. Misy koa ny “Formation permanente” izay ahitana ny solontena tsirairay avy amin’ny filohan’ny Repoblika, ny Senat, ny Antenimieram-pirenena, ny “holafitra samihafa” (avocats, journalistes), ny solontenan’ny fitsarana tampony ny Hcs, ny Hcc ary solontena roa avy amin’ny fiarahamonim-pirenena. Raha vao lany eo ity lalàna vaovao ity dia tonga dia manan-kery ka avy hatrany dia ny Ceni no mikarakara ny resa-pifidianana manaraka ary ho rava ho azy ny Ceni-t izay hisaorana, hoy ny depiote Freddie, fa nahavita ny anjara asany tamin’ny fananganana ny Repoblika faha-4 na dia tsy tena lavorary daholo aza ny zavatra nataony.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.