Politique

Antenimieram-pirenena Ahiana hifangaro ny asa sy ny fampielezan-kevitra


  • Alakamisy 11 Oktobra 2018

Hiditra amin`ny fivoriana ara-potoana faharoa ny antenimieram-pirenena etsy Tsimbazaza ny talata 16 oktobra ho avy izao. Mbola olana hatrany anefa ny firotsahan-kofidian`ny filohan`ny antenimieram-pirenena, Jean Max Rakotomamonjy, amin`ny fifidianana filoham-pirenena izay hatao amin`ny 7 novambra.

 

Ny lalàmpanorenana, ny lalàna mahakasika ny antenimieram-pirenena, lalàna mahakasika ny fifidianana dia tsy mamaritra mihitsy ny fametraham-pialan`ny filohan`ny Antenimieram-pirenena. Raha tiana ny manaja ny foto-pisainana tena repoblikanina dia tsy tokony hitarika io fivoriana io intsony izy na tsy takian`ny lalàna aza ny fametraham-pialany, fa tokony hikisaka tanteraka mihitsy satria tafiditra ao anatin`ny vanim-potoan`ny propagandy tanteraka. Lasa mifangaro ny maha kandidà azy sy amin`ny maha filohan`ny antenimiera azy ary mety hisy fampiasana fitaovam-panjakana sy volam-panjakana ao anatin`izay zavatra izay. Any amin`ny faritra dia misy fitaovam-panjakana, misy olom-panjakana, misy mpiasam-panjakana tsy misalasala mihitsy manao fampielezan-kevitra amina kandidà iray kanefa izay dia mety hiafara fanafoanana ny firotsaham-pifidianana. Na dia voatendry ho filoha vonjimaika aza ny depiote Hary Andrianarivo, izay napetrak’i Jean Max Rakotomamonjy ihany, dia mbola mifangaro amin`ny maha filohan`ny antenimieram-pirenena azy. Tsy misy lalàna mahasakana azy hanao an`izay mihitsy ka mahatonga an`ilay asa sy fampielezan-kevitra hifangaro. Hatreto aloha, tsy ampy mihitsy ny fepetra  ahafahana mahazo fifidianana tena arofenitra sy demokratika.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT