Politique

Antenimieram-pirenena Afa-baraka ireo depiote


  • Zoma 20 Martsa 2015

Tena nafampana ara-bakiteny ny zava-nisy teny amin’ny Lapan’ny Antenimieram-pirenena teny Tsimabazaza omaly alakamisy 19 martsa tamin’ny fanatrehan’ireo solombavambahoaka ny fivoriana nitambarambe azo natrehan’ny be sy ny maro ka nandinihana ilay volavolan-dalàna mikasika ny sata manokan’Antananarivo-Renivohitra.

 


Niatrana ny Emmo reg

Teny am-bavahady lehibe fidirana ny Lapa dia efa nanomboka hita soritra ilay hafahafa fa feno mpitandro ny filaminana nirongo basy teny an-toerana ary tsy namela an’ireo olon-tsotra, indrindra ny avy amin’ny kaominina Antananarivo-Renivohitra hiditra ny faritry ny Lapa. Tsy fantatra hoe tahotry ny inona ary baikon’iza  ? fa ny filohan’ny Antenimieram-pirenena avy aty anatiny no nanome baiko fa aleo hiditra daholo izay manan-karatra fa fivoriana azon’ny be sy maro hatrehina ny natao omaly io. Tao an-dapa dia tena tsy nitsitsy tamin’ny fitenenana mihitsy ireo depiote nahazo anjara fitenenana fa dia nahitsihitsy tamin’ny fitsikerana ilay tolo-dalàna. Nahazo nivantana mihitsy ny minisitra mpisolo toerana ny minisitry ny ati-tany, ka nolazain’ireo depiote fa ianao no hiangonan’ny rihatra eto fa nanaiky hisolo toerana ny namanao. Lalàna efa hita fa tsy mety ity, hoy ny hafa ka mbola hilingilinginareo teknisiana ao amin’ny ministera haverina ety aminay ihany. Tena afa-baraka isika na nifidy na tsy nifidy ity lalàna ity noho ny nataon’ny HCC, hoy koa ny feo re teny an-toerana.

Nifanasa vangy

. Nifanasa vangy imason’ireo vahiny marobe moa ireto solombavambahoakan’i Madagasikara ireto ka velona mihitsy ny fifampihantsiana sy fanalana tena nivantana natao tamin’ny fanamafisam-peo nifanaovan’ny sasantsany toa ny depiote Erafa Toliara sy Naivo Raholdina Antananarivo. Saika ny famerenana ny fandinihana ity volavolan-dalàna ity na famerenana amin’ny taloha ilay sata avokoa no ambentin-tenin’ireo maro an’isa teny Tsimbazaza omaly, fa vitsy dia vitsy no nanentana ny namany mba hifidy ity volavolan-dalàna ity tahaka ny depiote Jaona Elite Atsimondrano izay nokilasian’ny namany sy nohogahogan’izy ireo ho mpamono afo. Marihina fa depiote vitsivitsy toy ny mahazatra no tonga  namonjy fivoriana omaly saingy samy avo vava ny ankamaroany ka nampafanany adihevitra.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT