Dingana hafa nentin’ny fikambanana «Freedom» hanakanana ny fandresen’ny antoko Tiako I Madagasikara eto amin’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra ny fangatahana ny hanafoanana ny vato azon’ny lisitra TIM tarihan’i Neny Lalao Ravalomanana tamin’ny fifidianana kaominaly ny 31 jolay 2015.
Taorian’ny fitoriana santatra mikasika ny fisian’ny soratra «Neny» tao amin’ny biletà tokana ny alatsinainy lasa teo dia io indray no paikady nirosoan’ity fikambanana tarihan’i Lalatiana Rakotondrazafy ity omaly teny amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana Anosy. Voarain’ireo mpitsara moa ireo antontan-taratasy miaraka amin’ny fanazavan’ireo mpisolovava ny an-daniny sy ny an-kilany. Tena sarotra anefa ny hanafoana ny vato betsaka 56% mihoatra ny antsasa-manila azon’i Neny sy ny ekipany, hoy ny fanehoan-kevitra samihafa heno teny an-toerana. Mbola hiroso amin’ny fitoriana ala nenina dingana farany ihany koa ity fikambanana ity anio alakamisy. Votoatin’ny fitarainana, araka ny fantatra, ny paikady hanalana an-daharana ny lisitra Tiako I Madagasikara tsy ho mpifaninana izay vao mainka manahirana tokoa, araka ny fahitan’ny mpanara-baovao azy.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.