Tsy azo noraisina ny fitoriana napetraky ny fikambanana «Freedom» tarihan’i Lalatiana Rakotondrazafy, hoy ny didim-pitsarana.
Nangataka ny fanafoanana ny vato azon’ny kandidan’ny TIM moa ny kandidan’ny Freedom noho ny fisian’ilay teny hoe : « Neny » tao amin’ny bileta tokana. Nolavin’ny fitsarana izany. Nanohanan’ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana ny fanapahan-keviny ireo andininy maromaro voarakitra ao amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana. Manana zo hampiakatra ny raharaha eny anivon’ny filankevi-panjakana ao anatin’ny 15 andro moa ireo tsy afa-po tamin’iny didim-pitsarana iny, hoy ny fanazavana teny an-toerana. Mizotra mankany amin’ny fanamafisana ny fandresen’ny lisitra Tiako I Madagasikara tarihan’i Neny Lalao Ravalomanana ny didim-pitsarana nivoaka omaly izay midika avy hatrany ho fandresen’ny safidim-bahoaka miandrandra tanàna madio sy milamina ary fiainana tsaratsara kokoa. Hivoaka anio moa ny voka-pifidianana ofisialy ho an’ireo kaominina eto amin’ny faritanin’Antananarivo, anisan’izany ny tanànan’Antananarivo Renivohitra.
Fandrahonana sy teritery
Fanamarihana voalohany sady goavana nataon’ny filohan’ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana omaly teny Anosy ny filazany ampahibemaso fa maro ireo sokajin’olona nitsabaka tamin’ny raharaham-pitsarana momba ny fifidianana kaominaly. Niharan’ny teritery miampy fandrahonana mihitsy ny tenany, araka ny fanazavany. Tsy nihemotra nanoloana izany anefa izy ireo fa nandray ny andraikiny manoloana ny vahoaka Malagasy. Tsy natao ho an’olom-bitsy na ampahan’olona mantsy ny fanapahan-kevitra noraisina amin’ireo didim-pitsarana miisa 126 navoaka iny fa ho fanomezam-boninahitra ny vahoaka Malagasy. Ekena ny tsy fahatomombanan’ny lalàna mifehy ny fifidianana eto Madagasikara saingy nanaraka an-tsakany sy an-davany ny voalazany ireo mpitsara nandinika sy namoaka ireo didy ireo izay eo ambanin’ny lalàna ihany koa.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.