Tsy manaiky ny fitondrana HVM fa ao anatin’ny vanim-potoana manjombona ho an’ny mponin’Iarivo no nandrafetana tolo-dalŕna sampona hafa indray momba ny sata manokana mifehy ny renivohitra. Raha araka ny fantatra dia tokana ihany no ben’ny tanŕna ao anatin’ity tolo-dalŕna vaovao ity saingy nampitomboina kosa ny fahefan’ireo delege isaky ny boriborintany ary omena tetibola manokana mba iasany izy ireo. Hatramin’izay anefa dia ny ben’ny tanŕna ihany no mitantana ny vola fa misy kosa ny fandrindrana fomba fiasa azo atao tsara amin’ireo delege. Hatreto aloha dia mitsipaka marin-drano ity sata manokana hafahafan’ny renivohitra ity ireo depiote voafidy eto, ary nisy mihitsy ny efa nandefa resaka fa tsy ho lany eny Tsimbazaza indray izy io.
Fandravana ny firaisan-kina
Gaga sy talanjona ny rehetra amin’ny kiribiby ataon’ny fitondrana HVM mba hanova ny sata manokana mifehy ny renivohitra. Mampametra-panontaniana hoe : fa inona mihitsy no olana sa efa misy ny kajikaky politika ao ambadik’izany ? Efa hita mibaribary fa mitaredretra amin’ny fandraisana andraikitra ireo mpitondra manoloana ny fiakaran’ny rano sy ny fihotsahan’ny tany eto an-drenivohitra, maro ny traboina mimenomenona fa tsy misy mpijery, tsy misy miraharaha. Izao dia teren-ko masaka toa voalobo-jaza indray ny fanovana ny sata manokana mifehy ny renivohitra. Misy ny mpandinika ny raharaha politika alaim-panahy hihevitra fa ny hampizarazara ny mponin’ny renivohitra mihitsy no tanjona. Rehefa be fahefana mantsy ireo delege any amin’ny boriborintany dia mety hifanolana amin’ilay ben’ny tanàna ao amin’ny foibe, dia samy hanana ny mpanohana azy ireo dia hiady ho azy ny samy mponin’Antananarivo Renivohitra dia ho rava hatreo ilay firaisankina nisy hatramin’izay.
Fiarovan-tseza
Miray feo manohitra ny fizarazarana an’Antananarivo Renivohitra amin’ny endriny mivantana na an-kolaka ny solombavambahoaka avy amin’ny ankolafy Ravalomanana sy ny Mapar, tsy tongatonga ho azy izany fa ao raha ! Efa mibaribary amin’ny rehetra mantsy fa marefo ny fototra ara-politikan’ny HVM ka dia io izy mikaroka paikady hiarovana ny sezany io. Malaza fa mpanohitra fitondrana Antananarivo, malaza ho mpandrodana fitondrana ka mety ho noho izay no mahatonga izao paik’ady politika amin’ny fanovana ny sata manokana mifehy ny renivohitra izao, raha ny fandinihan’ny olon-tsotra azy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.