Politique

Antamponivinany Ambositra Nihetsika ny depioten’ny fanovana Amoron’i Mania


  • Alarobia 16 Mey 2018

Vory lanona ny vahoaka, nifanitsa-kitro teo Antamponivinany Ambositra tamin’ny sabotsy 12 mey 2018 lasa teo nihaino ny tatitra nentin’ny depioten’ny fanovana Amoron’i Mania.

Notaterin’izy ireo tamin'ny vahoaka ny mikasika ny fototr'olana dia ny fampanjakana ny kolikoly eto amin'ny tany sy ny firenena izay naseho miharihary tamin'ny fividianana tamim-bola an’ireo depiote maro mba hanaiky ilay lalàm-pifidianana tsy marim pototra sy ny fivarotana tanindrazana tamin'ny alalan'ny ZES.

Nantitranterin’izy ireo fa tsy hangina ny hetsika raha tsy mivaly ny fitakiana hamerenana ny fahamarinana hanjaka eto Madagasikara.

Samy nahatonga solontena avokoa ny isaky ny distrika any amin’ity Faritra ity dia i Fandriana, Manandriana, Ambatofinandrahana ary ny Departemantan’Imady.

Faly ery ny vahoakan'Ambositra fa afaka nihaino an-kalalahana ny depioteny raha notapenam-bava tsy navela hiteny izy teny Ankorombe fony nandalo ny manga...

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT