Nahitsy ny valin-tenin’ny filoha Rajaonarimampianina omaly raha nanontanian’ny mpanao gazety momba ilay resaka mandeha ny amin’ny fikasan’ny depiote sasany hanova ny praiminisitra izy
. Raha ny fahalalako azy dia ny filoha no manendry ny praiminisitra, hoy izy ka tokony hiandry ny filoham-pirenena ihany ry zareo aloha. Momba ilay fihaonana eo amin’ny depiote kosa dia nambarany fa rehefa ny toe-tsaina hiatrika an’ilay izy no vonona tsara dia izay no zava-dehibe. Voatondro fa saika natao omaly moa io fihaonana io saingy tsy tanteraka ka mety aorian’ny fetim-pirenena indray vao hisy. Nanipika mazava ny filoha fa tsy handefitra mihitsy amin’ny fanohintohinana ny tombontsoa ambonin’ny firenena ny tenany. Nitokana zava-bita maro sosona teny Anosiala Ambohidratrimo omaly ny filoham-pirenena, anisan’izany ny lalana, ny hopitaly iray , ny trano ho an’ny mpiasam-panjakana, ny birao hiasan’ny zandarimariam-pirenena. 40 miliara ariary no lany tamin’ny fanarenana ireo fotodrafitrasa ireo izay vokatry ny fiaraha-miasan’i Madagasikara sy Sina. 25 ka hatramin’ny 38 tapitrisa ariary ny vidin’ny iray amin’ireo trano nambara fa ho an’ny mpiasam-panjakana, araka ny fanazavan’ny minisim-panjakana Rivo Rakotovao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.