Politique

Ankolafy Zafy Albert Hiverina ao anatin’ny fampihavanana, faly ny gadra politika


  • Alatsinainy 02 Martsa 2015

Raha araka ny fanazavan-dRakotomalala Henri mpikambana ao anatin’ny gadra politika dia efa ao anatin’ilay lalana miverina mankany amin’ny fandraisan’anjara amin’ny fampihavanam-pirenena tarihin’ny raiamandreny am-panahy FFKM amin’izao fotoana izao ny fironana Zafy Albert

 

. Tena ankasitrahanay izany, hoy hatrany izy satria tsy misy afa-tsy ny fifampiresahana ihany no hany vahaolana hahafahana mampandroso ny firenena. Na izany aza anefa dia notsindriany fa aoka tsy ho amin’ny tombontsoan’ny olon-tokana no hanaovana izany fa ho amin’ny tombontsoa ambonin’ny firenena. Tafiditra ao anatin’izany, hoy hatrany izy ny tokony hakana tsara ny hevitry ny olona eny ifotony fa tsy ireo mpikambana tarihin’ireo filoha efatra mirahalahy teo aloha ihany. Ankoatra izay dia hangatahin’izy ireo ihany koa ny hanaovana ny fihaonamben’ny olom-pirenena rehetra.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT