Politique

Ankolafy Ravalomanana Sarotra ailika


  • Talata 20 Janoary 2015

Niverina indray ny hetsika eny amin’ny Magro Behoririka omaly rehefa niato ny zoma sy sabotsy noho ny andro ratsy. Anisan’ireo nandaha-teny i Zafilahy Stanislas izay nanipika mazava fa : “ sarotra ny miala amin’izany movansa Ravalomanana izany satria ilaina ny fananana olona kinga sy mailaka amin’ny fampandrosoana ny firenena. Isika dia matoky tanteraka ny filoha Ravalomanana fa hainy daholo ny traikefan’ny olona tsirairay ka tsy hanome tsiny azy isika. Nijoro ny lehiben’ny governemanta, betsaka ny fanakianana. Ny antsika n’iza n’iza atao eo ka rehefa hijery ny raharaham-pirenena dia efa zava-dehibe izay”.

Ny  fahantrana no fahavalo

 Izay mitabataba fa tsy izy io dia azy ny azy, hoy i Zafilahy Stanislas fa ny antsika dia mila mandeha ny raharaham-pirenena ary mila mihavana ny Malagasy. Efa manomboka hita fa mijoro ny fototra amin’ny fampihavanana ary izany dia tsy maintsy hipaka aty amiko sy any aminao, hoy hatrany izy, ary notohizany nanao hoe : niezaka isika nandefitra nandritra ny enin-taona, tsy tongatonga ho azy ireny zavatra niseho rehetra ireny fa noho ny zavatra nataontsika teto. Raha mbola hanakorontana dia tsy hahita rirany eto fa ny fampihavanana ihany no ilaina. Io omaly io ihany koa no nilazana teny amin’ny Magro fa mety tsy ho ela dia afaka hiresaka amin’ireo mpiara-dia aminy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Ho an’ny mpanara-baovao politika dia efa mamofompofona fidirana ao amin’ny governemanta vao hijoro ity fomba firesaky ny ankolafy Ravalomanana ity, izay midika avy hatrany ho fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny fitondrana, ary tsotra sy mazava tsara ny tanjona dia ny ady amin’ny fahantrana sy ny fanarenana ny firenena. Singa iray goavana ao anatin’izany rehetra izany Atoa Marc Ravalomanana, mahafantatra tsara an’io ny fitondram-panjakana ary tahaka ny efa manaiky ny fifanomezan-tanana amin’ity filoha teo aloha ity, saingy mbola misy ihany angamba ny fifandaminana kely tsy maintsy atao.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT