Anisan’ireo filohana antoko mpitarika fikambanana eo anivon’ny ankolafy Ravalomanana tafahaona tamin’i Marc Ravalomanana teny Faravohitra tamin’ny alahady hariva teo ny Révérend Satrobory filoha mpanorina ny antoko AMF/3Fm. Nanamafy ny tenany fa anisan’ny voaresaky ny mpivory teny Faravohitra ity ny amin’ny fanamboarana ny ankolafy fa tsy fandravana, mba hisian’ny
fiantohana ny firaisankina bebe kokoa dia tsy hisy ny fanilikilihana fa ireo filohan’antoko rehetra mpikambana ao amin’ity ankolafy Ravalomanana ity no hiantoka mivantana ny fampandehanana azy. Marihiko fa tena mpikambana feno eo anivon’ity ankolafy ity ny Amf/3Fm. Tsy afaka niaka-tsehatra teny amin’ny kianjan’ny Magro intsony ny tenako tao ho ao fa nitaky ny zo tokony ho azonay izay tsy voaloan’ireo tompon’andraikitra teny amin’ny Antenimieram-pirenena ka ny tenako dia anisan’ireo 11 voafidy hiandraikitra izany fitakiana izany nandritra ny 10 volana be izao ka nanomboka tao ny fampihavanam-pirenena ho anay. Mendrika izany izahay MCT ireo, hoy ny Révérend Satrobory satria avy amin’ny asanay no niavian’izao Repoblika faha-4 izao. Hisaorana ny filohan’ny Antenimiera am-perinasa Jean Max Rakotomamonjy sy ny Talen’ny “Trésor” ary ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina izany fa azo ilay zo, karama 3 volana fa ireo ambim-bola samihafa mbola ho avy manaraka kosa ny fanefana azy no angalana ilay 10% hanatanterahana adidy efa nifanarahana tamin’ireo tompon’andraikitra ihany. Haveriko, hoy ity filohan’ny Amf/3Fm ity fa tsy misy afa-tsy ny fampihavanam-pirenena no hahatafavoaka antsika amin’izao krizy novolena izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.