Anisan’ireo filohana antoko mpitarika fikambanana eo anivon’ny ankolafy Ravalomanana tafahaona tamin’i Marc Ravalomanana teny Faravohitra tamin’ny alahady hariva teo ny Révérend Satrobory filoha mpanorina ny antoko Afm/3Fm
. Nanamafy ny tenany fa anisan’ny voaresaky ny mpivory teny Faravohitra ity ny amin’ny fanamboarana ny ankolafy fa tsy fandravana, mba hisian’ny fiantohana ny firaisankina bebe kokoa dia tsy hisy ny fanilikilihana fa ireo filohan’antoko rehetra mpikambana ao amin’ity ankolafy Ravalomanana ity no hiantoka mivantana ny fampandehanana azy. Marihiko, hoy ny Révérend Satrobory fa tena mpikambana feno eo anivon’ity ankolafy ity ny Amf/3Fm saingy tao anatin’ny volana maromaro izay dia tsy afaka nisolotena ny antoko niaka-tsehatra teny amin’ny kianjan’ny Magro intsony ny tenako satria nifanaraka tamin’ireo Amct namana izay mpikambana tao amin’ny CT teo aloha fa tsy hisy hanonontonona anarana antoko na ankolafy misy ny tsirairay tamin’ny hetsika fitakiana ny zo tokony ho azonay izay tsy voaloan’ireo tompon’andraikitra teny amin’ny Antenimieram-pirenena ka ny tenako dia anisan’ireo 11 voafidy hiandraikitra izany fitakiana izany nandritra ny 10 volana be izao ka nanomboka tao ny fampihavanam-pirenena ho anay. Nody ventiny moa ny rano nantsakaina ka nifaly ireo vady aman-janaky ny Mct niisa 365 rehefa nijaly nandritra io fe-potoana voalaza io. Mendrika izany izahay MCT ireo, hoy ny Révérend Satrobory satria avy amin’ny asanay no niavian’izao Repoblika faha-4 izao. Hisaorana ny filohan’ny Antenimiera am-perinasa Jean Max Rakotomamonjy sy ny Talen’ny “Trésor” ary ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina izany fa azo ilay zo, karama 3 volana fa ireo ambim-bola samihafa mbola ho avy manaraka kosa ny fanefana azy no angalana ilay 10% hanatanterahana adidy efa nifanarahana tamin’ireo tompon’andraikitra ihany. Haveriko, hoy ity filohan’ny Amf/3Fm ity fa tsy misy afa-tsy ny fampihavanam-pirenena no hahatafavoaka antsika amin’izao krizy novolena izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.