Politique

Ankolafy Ravalomanana Magro Behoririka Noraisin’ny ambasadaoron’i Alemaina omaly


  • Talata 04 Novambra 2014

Taorian’ny nihaoanan-dry zareo tamin’ny solontena maharitry ny Vondrona Eoropeanina tamin’ny herinandro lasa teo, dia anjaran’ny ambasadaoron’i Alemaina indray omaly alatsinainy 3 novambra no nandray ny solontenan’ny delegasion’ny Ankolafy Ravalomanana Magro Behoririka tetsy amin’ny trano fiasany tetsy Antsakaviro

. Nanatitra antontan-taratasy namariparitra sy nanazava tamin’ity ambasadaoro ity ny zava-misy marina sy niainana teto Madagasikara nanomboka tamin’ny krizin’ny taona 2009 no tena anton-dian’ireo delegasiona ireo. Nohazavain-dry zareo tamin’ity diplaomaty ity tamin’izany fa mbola mifikitra tanteraka amin’ny Tondrozotra voasonia tamin’ny 17 septambra 2011 ry zareo ireto ary mitaky ny fampiharanana izany an-tsakany sy an-davany mba ho vahaolana amin’ny fivoahana amin’ny krizy mbola iainana ankehitriny. Na dia mihatra amin’ny ampahany aza ny andininy faha-20 noho ny efa fahatongavan’ny filoha teo aloha Ravalomanana an-tanindrazana dia tsapa fa tena gadra politika izy ankehitriny ka toherin-dry zareo marindrano izao atao aminy izao ka mangataka ny hamotsorana azy miaraka amin’ny vava sy ireo gadra politika hafa mbola any am-ponja ireto Ankolafy Ravalomanana Magro Behoririka ireto ary koa i Jean Marc Koumba sy ireo mpiasan’ny ACM efatra mirahalahy. Mbola mangataka koa ny hamoahana ireo haino aman-jery nakatona tamin’ny tetezamita ry zareo. Tsy voahaja ny zon’olombelona sy demokarasia eto Madagasikara ankehitriny ary tsy mihatra ny fanjakana tsara tantana, koa mangataka aminareo Vondrona iraisam-pirenena avy any ivelany izahay, hoy ireto delegasiona ireto, mba hanampy mivantana ny vahoaka Malagasy fa tsy hanampy ny mpitondra fanjakana tsy mahefa ny andraikiny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT