Politique

Ankazomanga sy Maroarivo Betioky Atsimo Mbola manantena fatratra ny Prezida Marc Ravalomanana


  • Talata 14 Aogositra 2018

Mitohy foana ny fitetezam-paritra ataon’Atoa SAZALAHY Tsianihy filohan’ny Distim Atsimo Andrefana ny Faritany hiadidiany ka tany amin’ny kaominin’Ankazomanga sy Maroarivo ao amin’ny distrikan’i Betioky-Atsimo indray izy ny 08 sy 09 ary 10 aogositra 2018 lasa teo.

 

Nambaran’ny Raiamandreny tao amin’ny tanàna notsidihany fa maro ny fotodrafitrasa vitan’ny Prezida Marc Ravalomanana tamin’ny fotoana nitondrany ny firenena, nilamina ity toerana misy anay ity, hoy izy ireo,  nahazo sekoly izahay, nahazo biraon’ny kaominina, nandry fahalemana ny tanàna. Fa rehefa tsy teo amin’ny toerany intsony i Prezida Marc Ravalomanana noho ny hetraketraky ny sasany tamin’ny taona 2009 dia tsy nisy intsony ny zavatra niorina teto amin’ny kaominina sy fokontany misy anay, nandritra ny taona maro tsy nahateo azy dia nirongatra ny asan-dahalo. Koa mankasitraka ny ho firotsahan-ko fidiana ho filoham-pirenena indray an’i Prezida Marc Ravalomanana izahay ary manohana azy tanteraka satria izy irery ihany no Prezida hametrahanay ny fitokianay. Mino sy manantena izahay fa tsy manadino anay vahoaka aty amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ankazomanga sy Maroarivo izy.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT