Mampametra-panontaniana ny maro ankehitriny ny zava-mitranga ao amin’ny Kaominina Ankadikely Avaradrano, amin’ny fisiana takela-kazo etsy sy eroa izay milaza fanamboarana fotodrafitrasa,
nefa hita sahady fa miendrika fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana ataon’ny kandidam-panjakana. “Tsy misy manda asa fanamboarana”, hoy Ramanantsoa, izay tokony hitondra fampandrosoana ny tanàna tokoa, fa “ny endrika fanararaotana politika ao ambadika no mahabe resaka” eny an-toerana ary miteraka fanontaniana hoe : fitavozavozan’ny Ben’ny tanàna amin’ny fampandrosoana ny Kaominina Ankadikely ve no mahatonga izany sa misy fifanarahana eo amin’izy ireo, sa fanararaotam-pahefana ataon’ny mpitondra tsotra izao ?
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.