Politique

Andry Rajoelina Voahodidina tsy fahamatoram-poto-kevitra


  • Zoma 07 Desambra 2018

Miditra tsikelikely amin’ny famaranana ny fifidianana izay ho filoham-pirenen’i Gasikara isika ankehitriny ary efa mandeha ny fampielezan-kevitry ny fihodinana faharoa. Mitohivakana ihany koa ireo fanambaran’ny kandida tsy tafita ho amin’ny dingana faharoa. Ao ireo nisafidy ny tsy hanohana na iza na iza.

 

 

 Ao ny hanohana ny kandida laharana faha-25, Marc Ravalomanana. Ao koa ireo hanohana ny laharana faha-13, Andry Rajoelina. Raha ny zavatra hita ankehitriny dia voahodidina tsy fahamatoram-poto-kevitra hatrany ity farany, raha ny zava-nitranga tao anatin’ny 3 andro monja fotsiny no resahana. Anisan’ny naha be resaka ny mpanara-baovao, ohatra, ny fanohanan’ny kandida Randriamampionona Joseph Martin na Dadafara izay nanao fanambarana rehefa nalaza ho niresaka 2 minitra monja tamin’ny kandida Ravalomanana. Fanohanana mila tambiny avy hatrany no namakian’ny mpanara-baovao ny fihetsiny ka rehefa tsy nahafa-po ny an-daniny dia tonga dia tsy mandinika ela fa nitodika amin’ny an-kilany avy hatrany; avy eo manondrana indray fahitalavitra fa : “ manana vintana matanjaka i Andry Rajoelina matoa 36 taona izy nahavita nanongam-panjakana, nanongana filoha teo am-perinasa …”. Ny kandida iray indray dia efa nanao fanambarana izao fa hiala sasatra kely amin’ny tontolo politika aloha kinanjo dia hoe hanohana kandida indray amin’ny fihodinana faharoa. Ny fahatelo moa izay vao omaly dia efa nilaza izao fa tsy hanohana kandida amin’ny fihodinana faharoa kinanjo nanao fanambarana nanohitra izany indray avy eo. Mbola lavitra ezaka ny hanarina ny tontolo politika eto amintsika mba ho amin’ny matihanina kokoa raha mijery ny zava-misy hatreto ary tena marobe ireo noheverina fa nahazo lesona ary lasa olon-kendry kanefa dia niha adala kokoa noho ny tena adala aza.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT